ADIN'AKOHO

tapany voalohany   

Kolontsaina iray anisan'ny mampiavaka ny Malagasy ny adin'akoho.
Fialamboly iray izay mbola tsy very ary mbola manana ny ny maha
izy azy tokoa ankehitriny raha ny adin'akoho. Samy mankafy sy
manana karazana akoha mampiavaka azy avokoa ny faritra rehetra
manerana ny Madagascar. Na ny an-drenivohitra na ny any ambanivohitra
lavitra any. Na ny zazakely na ny olondehibe dia samy mankafy
fatratra ny adin'akoho avokoa ary mifanao fotoana amina toerana
iray mampiseho sy mampiady izay karazana akoho hananany. Ny akoho
fampiady dia tsy akoho fahita amin'andavanadro ireny fa karazana
akoho hafa mihitsy. Raha ny momba ny akoha mpiady dia, karazana
akoho efa nisy hatramin'izay no akoho mpiady eto Madagascar ary
hita tamin'ny vanim-potoana teo aloha toy ny tamin'ny vanim-potoana
ny fahampanjaka ny karazany. Ary hatramin'izay ka hatramin'izao dia
mbola hita amin'ny faritra maro eto Madagascar ny taranak'ireo akoho
ireo ka anisan'izany ny antsoina hoe: "kalahatintra, mandoro, malailay,
manditsoka, ny tsy laitra, ny mandrava, sns."
Araka ny tantara dia ny mpanjaka rehetra nifandimby dia anisan'ny
mpankafy sy mpiangaly fatratra izany taranja adin'akoho izany ary
anisany niompy tamin' izany karazana akoho izany. Anisan'ny fialamboly
mahafinaritra ny fampiadiana akoha tamin'ny vanim-potoana faha-mpanjaka;
Tsy mba nisy fialamboly maro moa tamin'izany fotoana izany, ny hany
nisy dia ny : "fampiadiana angely, ny savika, ny adin'angely, sy ny
sisa." ka betsaka ny liana tamin'ny fampiadiana akoho.
Rehe tonga ny moa ny fotoana fampiadiana akoho dia samy mitondra ny
karazana akoho mampiavaka azy avokoa ny faritra rehetra ary izay mandresy
dia mahazo loka lehibe.
Samy manana ny karazan'akohony avokoa moa ny faritra isambohitra rehetra.
Raha ny faritra eto Imerina ohatra,mampiavaka ny faritra Lasora  ny
fiompiana "Bengaly",ary ny mampiavaka ny faritra Ambohijafy kosa dia ny
fiompiana kalahantitra. Ny faritra Ambohidratrimo sy ny rovan'Ambohimanga
sy ireo faritra fitsangatsanganan'ny mpanjaka dia anisan'ny nahitana ny
karazana akoho kalahantitra avokoa.
Ny akoho mpiady dia fantatra amin'ny firafitry ny  vatany, ny lohany ary
ny tongony. Ny loko dia tsy midika karaza velively fa fanavahana fotsy
izany, toy ny hoe:"tsatsaka, maintiariva, volom-bavy, masira, menakely, sns.
Ny fiompiana akoho mpiady dia anisan'ny nivoahana fomba fiteny maro ary
ohabolana ihany koa toy ny hoe:"Lamban'akoho, faty no isarahana", "Akolahy
maneno an-tsena, tsy hery tsy akory fa hanina ny tany nialana", "Akoholahy
miady am-potaka, samy miaro ny masony tsy ho ditsoka", "Akoholahy
tanatanamanga, akoholahim-bohitra", "Raha akoholahy, dia efa intelo na
inefatra tapa-pantsy","Manao fitsaingoka akolahy jamba", sns
Tantara kely,
Fahiny hono dia very ny akoho iray teny amina vohitra iray (kalahantitra
izy io). Teny amin'ny vohitra iray hafa (teny lasora) no nahitana azy
tamin'izany.[...]Tsy nety nihaiky anefa ny mpangalatra ary dia nanapa-kevitra
ny tompony fa hiandry ny fotoana hananan'ilay akoha anaka[...]Koa rehefa tonga
io fotoana io dia tonga ilay tompon'akoho very ary hita nibaribary ny marina.
Satraia ny kalahantitra manko dia tsy mba mahavanona anaka afa tsy iray
matetika, ny nitranga anefa dia atody fito no nakotrika dia iray no foy,
izany no nahafantarana ny marina ary teo no nivoaka ilay fomba fiteny
hoe:"Mpangalatra akoho i Lasora" ary ny ohabolana hoe:"Lainga marivo tototra,
ka ampangain'ny akoho tokana."

Izay no mombamomba ny tapany voalohany mahakasika ny akoho fa ho jerena